Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-9

1 Henemana taorian'izany dia nalain'i Jesoa Piera sy Jakoba ary Joany ka nentiny nitokana tany an-tampon'ny tendrombohitra avo anankiray, dia niova tarehy teo anatrehany izy.

2 Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpamotsy lamba mahafotsy toy izany etý an-tany. 3 Ary niseho tamin'izy ireo Elia sy Moizy, sady niresaka tamin'i Jesoa. 4 Dia niteny Piera ka nanao tamin'i Jesoa hoe: Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra atý; aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho anao, ny iray ho an'i Moizy, ary ny iray ho an'i Elia. 5 Fa tsy fantany izay nolazainy, satria raiki-tahotra loatra izy ireo. 6 Tamin'izay dia nisy rahona nanarona azy; ary nisy feo avy tao amin'io rahona io nanao hoe: Ity no Zanako malalako indrindra, henoy izy. 7 Niaraka tamin'izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy nahita olona intsony, fa Jesoa irery sisa teo aminy. 8 Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, dia norarany tsy hilazalaza amin'olona ny zavatra vao hitany, mandrapitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty. 9 Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady nifampaka saina izy ny amin'izay hevitr'izany hoe, mitsangana amin'ny maty.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0645