Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-9

30 fa nampianatra ny mpianany izy ary nanao taminy hoe: Hatolotra eo an-tanan'ny olombelona ny Zanak'olona, dia hovonoiny, fa hitsangana amin'ny maty izy raha afaka hateloana aorian'ny hahafatesany. 31 Tsy fantatr'izy ireo anefa izany teny izany, sady tsy sahiny nanontaniana azy koa. 32 Dia tonga tany Kafarnaoma izy ireo, ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny mpianany Jesoa nanao hoe: Inona izany niadianareo hevitra tany an-dàlana izany?

33 Fa tsy niteny tsy nivolana izy, satria ny amin'izay ho lehibe indrindra amin'izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dàlana. 34 Dia nipetraka izy ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Izay te-ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon'ny olona rehetra. 35 Ary nandray zaza anankiray izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy, ary hoy izy tamin'ny mpianany hoe: 36 Na iza na iza handray anankiray amin'ny zazakely toy itony amin'ny anarako, dia handray ahy, ary izay mandray ahy dia tsy mandray ahy, fa izay naniraka ahy. 37 Ary niteny Joany ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony amin'ny anaranao izahay; nefa tsy namantsika ka noraranay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0974