Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-9

41 Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin'ireny madinika mino ahy ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarina amin'ny vozony, ka havarina any anaty ranomasina izy.

42 Raha ny tànanao no manafintohina anao, tapaho izy; fa aleo kilemaina miditra any amin'ny fiainana hianao, toy izay manan-tanan-droa havarina any amin'ny gehena, dia any amin'ny afo tsy azo vonoina, 43 izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay. 44 Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy, fa aleo tapa-tongotra an'ila miditra any amin'ny fiainana hianao toy izay manana tongotra roa havarina any amin'ny gehen'afo tsy azo vonoina, 45 izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay. 46 Raha ny masonao no manafintohina anao, esory izy, fa aleo toka-maso miditra any amin'ny fanjakan'Andriamanitra hianao, toy izay mana-maso roa havarina any amin'ny gehen'afo, 47 izay tsy mety maty ny olitr'izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo. 48 Fa izy rehetra any hosiraina amin'ny afo, toy ny sorona rehetra siraina amin'ny sira. 49 Tsara ny fanasina: fa rahefa lefy izy, inona no hampodianareo ny tsirony? Tano tsara ny sira aminareo, ka mihavàna hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0859