Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Toko faha-10
16 Indro izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan'ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava hianareo, ary mbà tsotra toy ny voromailala.17 Mitandrema, fa hotorin'ny olona amin'ny fitsarany hianareo, sy hokapohiny ao amin'ny sinagogany; 18 ary hoentiny eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin'ny jentily. 19 Fa raha hatolony hianareo, dia aza manahy izay fomba fandaha-teny na izay teny holazainareo, fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany; 20 satria tsy hianareo no hiteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no hiteny ao aminareo. 21 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany, ny zanaka hiodina amin'ny rainy aman-dreniny ka hamono azy; 22 ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay haharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy. 23 Raha enjehina amin'ny tanàna anankiray hianareo, dia mandosira any amin'ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan'Israely hianareo mandra-pahatongan'ny Zanak'olona.