Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-10

1 Ary niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy izy ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hahasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra.

2 Ary ireto no anaran'ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy: Ny voalohany dia Simona izay atao hoe Piera, dia Andre rahalahiny, 3 Jakoba zanak'i Zebede sy Joany rahalahiny, Filipo sy Bartelemy, Tomà sy Matio ilay poblikàna, Jakoba zanak'i Alfe sy Tade, 4 Simona ilay Kananeana, ary Jodasy Iskariota ilay namadika azy. 5 Ireo ny roa ambin'ny folo lahy izay niarahin'i Jesoa rahefa nohafatrafarany hoe: Aza manaraka ny làlana mankany amin'ny Jentily, ary aza miditra amin'ny tanànan'ny Samaritana,

6 fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'Israely. 7 Ary raha mandeha hianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. 8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana hianareo, koa manomeza maimaim-poana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.121