Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 10, 16-23

       <16Indro izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan'ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava hianareo, ary mbà tsotra toy ny voromailala. 17Mitandrema, fa hotorin'ny olona amin'ny fitsarany hianareo, sy hokapohiny ao amin'ny sinagogany; 18ary hoentiny eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin'ny jentily. 19Fa raha hatolony hianareo, dia aza manahy izay fomba fandaha-teny na izay teny holazainareo, fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany; 20satria tsy hianareo no hiteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no hiteny ao aminareo. 21Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany, ny zanaka hiodina amin'ny rainy aman-dreniny ka hamono azy; 22ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay haharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy. 23Raha enjehina amin'ny tanàna anankiray hianareo, dia mandosira any amin'ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan'Israely hianareo mandra-pahatongan'ny Zanak'olona. >