Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-10

26 koa aza matahotra azy hianareo. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. 27 Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava; ary izay bitsibitsihina amin'ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano; 28 ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin'ny afobe. 29 Moa tsy varifitoventy monja va no vidin'ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin'ny tany iray akory raha tsy avelan'ny Rainareo. 30 Na ny volon-dohanareo aza dia efa voaisa avokoa. 31 Koa aza matahotra, fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro hianareo. 32 Ary amin'izany izay rehetra hanaiky ahy eo anatrehan'ny olona dia ho ekeko izy eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra; 33 ary izay handà ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2883