Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-10

11 Ary amin'izay tanàna na vohitra hidiranareo, dia anontanio izay mendrika hidiranareo ao, ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo. 34 Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana eo an-tany aho; tsy hitondra fiadanana no nahatongavako, fa hitondra sabatra;

35 fa tonga aho mba hampisaraka ny zanakalahy amin'ny rainy, sy ny zanakavavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozany vavy; 36 ary ny ankohonan'ny olona ihany no ho fahavalony. 37 Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho izaho, dia tsy mendrika ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho izaho, dia tsy mendrika ahy. 38 Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka ahy, dia tsy mendrika ahy. 39 Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy. 40 Izay mandray anareo, mandray ahy; ary izay mandray ahy, dia mandray izay naniraka ahy.

41 Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany, dia hahazo ny valisoan'ny mpaminany; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina, dia hahazo ny valisoan'ny olo-marina; 42 ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka monja aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0427