Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-11

2 Ary nony ren'i Joany tao an-tranomaizina ny nataon'ny Kristy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany izy 3 hanao aminy hoe: Hianao va no Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika? 4 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Mandehana ka lazao amin'i Joany izao zavatra renareo sy hitanareo izao: 5 mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, sitrana ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, torina amin'ny malahelo ny Evanjely, 6 ary sambatra izay tsy tafintohina noho ny amiko. 7 Nony lasa ireo, dia nilaza an'i Joany tamin'ny vahoaka Jesoa, nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an'efitra? Volotara hetsiketsehin'ny rivotra va?

8 Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Indro any amin'ny tranon'ny mpanjaka izay tsara fitafiana. 9 Sa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Moa mpaminany va? Eny! hoy izaho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza, 10 fa izy no ilay voasoratra hoe: Indro aho maniraka ny anjeliko hialoha anao sy hamboatra ny làlanao. 11 Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin'izay natera-behivavy mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho Joany Batista; kanefa izay kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra no lehibe noho izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.172