Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-11

23 Ary hianao, ry Kafarnaoma, hasandratra hatrany an-danitra va hianao? Hietry hatrany amin'ny afobe hianao, fa raha tany Sodoma no natao ny fahagagana natao tao aminao, dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy. 24 Koa dia lazaiko aminao fa ho moramora kokoa ny hatao amin'i Sodoma amin'ny andron'ny fitsarana noho ny hatao aminao. 25 Tamin'izany andro izany, dia hoy indray Jesoa: Misaotra anao aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin'ny hendry sy be saina hianao, ary nanambara azy tamin'ny tso-po kosa.

26 Eny, misaotra aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. 27 Efa nomen'ny Raiko ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana azy. 28 Mankanesa atý amiko hianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mavesatra entana, fa hanamaivana anareo aho. 29 Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po aho, dia hahita fiadanana ho an'ny fanahinareo hianareo; 30 fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0529