Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-11

20 Ary tamin'izay, dia nanomboka niteny mafy ireo tanàna nanaovany fahagagana maro izy, satria tsy nibebaka ireo,

21 ka nataony hoe: Loza ho anao, ry Korozaina, loza ho anao, ry Betsaida! fa raha izay no tany Tira sy Sidòna no natao ny fahagagana natao taminareo, dia efa ho nibebaka ela tamin'ny akanjo malailay sy tamin'ny lavenona izy. 22 Koa lazaiko aminareo, fa amin'ny andron'ny fitsarana, dia ho moramora kokoa ny hatao amin'i Tira sy Sidòna noho ny hatao aminareo. 23 Ary hianao, ry Kafarnaoma, hasandratra hatrany an-danitra va hianao? Hietry hatrany amin'ny afobe hianao, fa raha tany Sodoma no natao ny fahagagana natao tao aminao, dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy. 24 Koa dia lazaiko aminao fa ho moramora kokoa ny hatao amin'i Sodoma amin'ny andron'ny fitsarana noho ny hatao aminao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1662