Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-12

46 Raha mbola niteny tamin'ny vahoaka izy, dia indreo ny reniny sy ny rahalahiny nijanona teo alatrano nitady hiteny aminy, 47 ka nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: Indreo ny reninao sy ny rahalahinao ao alatrano, mitady anao. 48 Fa izao no navaliny an'ilay nilaza taminy: Iza moa no reniko, ary zovy no rahalahiko? 49 Dia naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany izy ka nanao hoe: Ireo no reniko sy rahalahiko. 50 Fa na zovy na zovy hanao ny sitra-pon'ny Raiko izay any an-danitra, dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115