Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-12

1 Tamin'izany andro izany Jesoa namaky ny tanimbary tamin'ny andro sabata, ary noana ny mpianany ka nioty salohim-bary, dia nihinana;

2 fa nony nahita izany ny Farisiana, dia nilaza taminy hoe: Indro ny mpianatrao manao izay tsy fanao amin'ny sabata. 3 Ary hoy izy taminy: Moa tsy novakinareo va izay nataon'i Davida raha noana izy sy izay nanaraka azy, 4 fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy, ka nihinana ny mofo alahatra, kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany? 5 Sa tsy novakinareo ao amin'ny Lalàna va fa amin'ny andro sabata dia mandika ny sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly, kanefa tsy meloka izy? 6 Ary lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly. 7 Raha fantatrareo mantsy ny hevitry ny teny hoe: Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona, dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny hianareo; 8 satria tompon'ny sabata aza ny Zanak'olona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2039