Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-13

18 Koa henoy ary ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny mpamafy.

19 Raha misy mandre ny tenin'ny fanjakan'Andriamanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony: dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be. 20 Ary ilay nafafy tamin'ny tany be vato no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin'izay, 21 nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela; fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy. 22 Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny, fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy. 23 Fa ilay nafafy tamin'ny tany lonaka kosa no izay mandre ny teny ka mahalala azy; dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enim-polo, ary ny sasany telo-polo heny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1021