Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-13

24 Ary nanao fanoharana hafa taminy koa izy, nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin'ny taniny;

25 fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony, ka namafy voan'ahi-dratsy tamin'ny vary, dia lasa. 26 Nony naniry ny vary ka niteraka, dia nitranga koa ny ahi-dratsy. 27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe: Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin'ny taninao, ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa? 28 Ny fahavaloko no nanao izany, hoy ny navaliny. Tianao va ny handehananay hiava azy? hoy ireo mpanompony taminy. 29 Tsia, hoy izy, fandrao hogontanareo mbamin'ny vary, raha manongotra ny ahi-dratsy hianareo. 30 Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fijinjana; fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana; ary angony ho any an-tsompitro ny vary. 31 Ary nanao fanoharana hafa taminy koa izy nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny voan-tsinapy izay nalain'ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny.

32 Kely indrindra amin'ny voan-javatra rehetra izy; fa rahefa nitombo kosa, dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo; dia avy ny voro-manidina mipetraka ao amin'ny rantsany. 33 Ary nanao fanoharana hafa taminy koa izy hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny lalivay, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koban-dafarina intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny lalivay azy rehetra.

34 Fanoharana no nilazan'i Jesoa izany rehetra izany tamin'ny vahoaka, ary izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin'ny fanoharana, 35 mba ho tanteraka ny tenin'ny mpaminany manao hoe: Hiloa-bava hilaza fanoharana aho, ary hanambara zavatra izay miafina hatramin'ny nanaovana an'izao tontolo izao. 36 Tamin'izay, nony efa nampody ny vahoaka izy, dia mba nody, ary nanatona azy ny mpianany nanao hoe: Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny ahi-dratsy.

37 Ary namaly izy ka nilaza taminy hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona; 38 ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny ahi-dratsy dia ny zanak'ilay ratsy; 39 ny fahavalo izay namafy azy, dia ny demony; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan'izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny anjely. 40 Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin'ny afo no hatao raha mby amin'ny fahataperan'izao tontolo izao. 41 Haniraka ny anjeliny ny Zanak'olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin'ny fanjakany, 42 ka hanipy azy ao amin'ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. 43 Amin'izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin'ny fanjakan'ny Rainy. Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0526