Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-13

24 Ary nanao fanoharana hafa taminy koa izy, nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin'ny taniny;

25 fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony, ka namafy voan'ahi-dratsy tamin'ny vary, dia lasa. 26 Nony naniry ny vary ka niteraka, dia nitranga koa ny ahi-dratsy. 27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe: Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin'ny taninao, ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa? 28 Ny fahavaloko no nanao izany, hoy ny navaliny. Tianao va ny handehananay hiava azy? hoy ireo mpanompony taminy. 29 Tsia, hoy izy, fandrao hogontanareo mbamin'ny vary, raha manongotra ny ahi-dratsy hianareo. 30 Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fijinjana; fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana; ary angony ho any an-tsompitro ny vary.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0456