Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-13

31 Ary nanao fanoharana hafa taminy koa izy nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny voan-tsinapy izay nalain'ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny.

32 Kely indrindra amin'ny voan-javatra rehetra izy; fa rahefa nitombo kosa, dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo; dia avy ny voro-manidina mipetraka ao amin'ny rantsany. 33 Ary nanao fanoharana hafa taminy koa izy hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny lalivay, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koban-dafarina intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny lalivay azy rehetra.

34 Fanoharana no nilazan'i Jesoa izany rehetra izany tamin'ny vahoaka, ary izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin'ny fanoharana, 35 mba ho tanteraka ny tenin'ny mpaminany manao hoe: Hiloa-bava hilaza fanoharana aho, ary hanambara zavatra izay miafina hatramin'ny nanaovana an'izao tontolo izao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.03