Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-13

47 Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao;

48 rahefa feno izy dia nosarihana ho eny amoron-drano, ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony an-karona, fa ny ratsy kosa nariany. 49 Dia ho tahaka izany koa raha mby amin'ny fahataperan'izao tontolo izao: hivoaka ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina, 50 ka hanipy azy any amin'ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. 51 Efa azonareo va izany? Eny, hoy izy ireo taminy. 52 Dia nanampy teny indray izy nanao hoe: Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin'ny fanjakan'ny lanitra àry, dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin'ny fitoeran-drakiny. 53 Nony tapitra izany fanoharana izany, dia niala teo Jesoa,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0802