Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-14

22 Dia nodidian'i Jesoa hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin'izay ny mpianany, sy hita hialoha azy ambara-pandravany ny vahoaka;

23 ary rahefa nampirava ny vahoaka izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana; ka nony alina ny andro, dia izy irery no teo. 24 Tamin'izay ny sambo kely dia nahilangilan'ny onjan-drano teny afovoan'ny ranomasina, fa nanoha rivotra. 25 Ary tamin'ny fiambenana fahefatra tamin'ny alina, dia nandeha teny ambonin'ny rano Jesoa ka nankeo amin'izy ireo. 26 Fa nony nahita azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia natahotra ka nanao hoe: Matoatoa io, sady niantsoantso izy noho ny tahony. 27 Niaraka tamin'izay dia niteny taminy Jesoa nanao hoe: Matokia, fa izaho ihany, ka aza matahotra. 28 Namaly Piera nanao hoe: Raha hianao ary; Tompo, asaovy hankeny aminao eny ambony rano aho. Avia, hoy izy. 29 Dia nidina avy eny an-tsambo Piera, ka nandeha teny ambony rano ho eny amin'i Jesoa. 30 Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary nony nanomboka nilentika izy dia niantso mafy nanao hoe: Tompo ô! vonjeo aho. 31 Niaraka tamin'izay naninji-tànana Jesoa, dia nandray azy, ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no nisalasala hianao? 32 Ary rahefa niakatra teo an-tsambo izy ireo, dia nitsahatra ny rivotra. 33 Tamin'izay, ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona azy sy nitsaoka azy nanao hoe: Tena Zanak'Andriamanitra tokoa hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0912