Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-14

1 Tamin'izany andro izany, dia ren'i Heroda tetrarka ny lazan'i Jesoa;

2 ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Joany Batista izay; efa nitsangana tamin'ny maty izy, ka izany no ahavitany fahagagana maro. 3 Fa Heroda efa nampisambotra an'i Joany, ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina, noho ny amin'i Herodiada vadin'i Filipo rahalahiny. 4 Satria Joany nilaza taminy hoe: Tsy mahazo manambady io hianao. 5 Nitady hamono azy Heroda, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon'ny olona fa mpaminany Joany. 6 Ary tamin'iny andro nankalazana ny nahaterahan'i Heroda, dia nandihy teo anatrehan'ny olona nasaina ny zanakavanin'i Herodiada, ka nahafaly an'i Heroda. 7 Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona. 8 Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe: Omeo ahy eto amin'ny lovia ny lohan'i Joany Batista. 9 Dia nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy, dia nasainy homena azy ihany izany; 10 ary naniraka nampanapaka ny lohan'i Joany tao an-tranomaizina izy. 11 Dia nentina tamin'ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy, ary nentiny tany amin-dreniny. 12 Nalain'ny mpianatr'i Joany kosa ny faty dia naleviny, vao lasa izy nilaza izany tamin'i Jesoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0996