Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-15

1 Tamin'izay nisy mpanora-dalàna sy Farisiana avy teny Jerosalema nanatona azy ka nanao hoe:

2 Nahoana ny mpianatrao no mandika ny lovantsofin-drazana? fa tsy mba manasa tànana izy raha hihinan-kanina. 3 Ary hoy ny navaliny azy: Nahoana kosa hianareo no mandika ny didin'Andriamanitra noho ny lovantsofin-drazanareo? 4 Fa hoy Andriamanitra: Manajà ny rainao aman-dreninao; ary koa: Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty. 5 Fa hoy kosa hianareo: Na zovy na zovy hilaza amin'ny rainy na amin'ny reniny hoe: Efa natolotro an'Andriamanitra ny tokony ho nentiko manampy anao, 6 dia afaka tsy hanaja ny rainy na ny reniny akory izy; koa nofoananareo ny didin'Andriamanitra noho ny lovantsofinareo. 7 Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian'Izaia anareo hoe: 8 Ity vahoaka ity manaja ahy amin'ny molony, fa ny fony lavitra ahy; 9 koa foana ny ivavahan'izy ireo amiko, satria didin'olombelona no ataony fampianarana. 10 Ary rahefa nasainy hanatona azy ny vahoaka, dia hoy izy taminy: Hainoy, ary fantaro:

11 tsy izay miditra amin'ny vava no mahaloto ny olona; fa izay aloaky ny vava, izany no mahaloto ny olona. 12 Dia nanatona azy ny mpianany ka nilaza taminy hoe: Fantatrao va fa tafintohina ny Farisiana nandre izany teny izany? 13 Ary hoy ny navaliny azy ireo: Ny voly rehetra nambolen'ny Raiko izay any an-danitra dia hongotana. 14 Avelao izy, fa jamba mitari-dalàna ny jamba; ka raha misy jamba mitari-dalàna ny jamba, dia hianjera any an-kady izy roroa. 15 Namaly Piera nanao taminy hoe: Lazao anay ny hevitr'izany fanoharana izany. 16 Hianareo koa va, hoy izy, mbola tsy mahalala ihany? 17 Moa tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin'ny vava dia midina any an-kibo ka ariana any an-katakonana? 18 Fa izay mivoaka amin'ny vava kosa dia avy amin'ny fo, ka izany no mahaloto ny olona. 19 Satria ny fo no ihavian'ny hevitra ratsy, ny famonoana olona, ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny vava ratsy: 20 izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana tsy misasa tànana, tsy mahaloto ny olona akory. 21 Niala teo Jesoa, dia nankany amin'ny faritanin'i Tira sy Sidona.

22 Ary indro nisy vehivavy kananeana anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe: Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak'i Davida, fa ampijalian'ny demony mafy loatra ny zanako vavy; 23 fa tsy namaly azy Jesoa na dia indraim-bava aza. Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe: Roahy izy, fa mikiakiaka manaraka antsika. 24 Ary hoy ny navaliny azy: Tsy nirahina afa-tsy ho an'ny ondry very amin'ny taranak'Israely aho. 25 Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe: Tompo ô! vonjeo aho! 26 Nefa novaliany hoe: Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an'ny amboa. 27 Ary hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko, nefa ny amboa kely mba mihinana ny sombitsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany. 28 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao. Dia sitrana tamin'izany ora izany ihany ny zanany vavy. 29 Rahefa niala teo Jesoa, dia nankany amoron'ny ranomasin'i Galilea, ary niakatra tany an-tendrombohitra izy ka nipetraka teo.

30 Maro ny vahoaka nanatona azy teo, nitondra ny moana, ny jamba, ny mandringa, ny kilemaina mbamin'ny marary hafa betsaka, sy nametraka azy teo an-tongotr'i Jesoa dia nositraniny, 31 àny ka gaga dia gaga ireo vahoaka rehetra ireo nony nahita ny moana niteny, ny mandringa afa-mandeha, ny jamba nahiratra, ka nankalaza an'Andriamanitr'Israely izy ireo. 32 Ary niantso ny mpianany Jesoa, ka nilaza taminy hoe: Mampalahelo ahy ireto vahoaka, fa efa hateloana izay no tsy nisarahany tamiko, ka tsy manan-kohanina izy: tsy tiako ny hampody azy tsy homan-kanina, sao dia reraka eny an-dàlana izy.

33 Fa hoy ny mpianany taminy: Aiza no ahazahoanay mofo ampy hahavoky ireo vahoaka be ireo atý an'efitra? 34 Ary hoy Jesoa taminy: Manana mofo firy hianareo? Fito, hoy ireo taminy, sy hazandrano madinika vitsy foana. 35 Dia nasainy nipetraka tamin'ny tany ny vahoaka; 36 ary noraisiny ny mofo fito sy ny hazandrano, dia nanaovany fisaorana sy novakiny ka nomeny ny mpianany, ary ny mpianany kosa nanome ny vahoaka. 37 Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary sobika fito no feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangonina; 38 nefa efatra arivo lahy no nihinana teo afa-tsy ny zaza amam-behivavy. 39 Nony nampody ny vahoaka izy, dia niondrana an-tsambo kely ka nankany amin'ny tany Magedana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0495