Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-15

29 Rahefa niala teo Jesoa, dia nankany amoron'ny ranomasin'i Galilea, ary niakatra tany an-tendrombohitra izy ka nipetraka teo.

30 Maro ny vahoaka nanatona azy teo, nitondra ny moana, ny jamba, ny mandringa, ny kilemaina mbamin'ny marary hafa betsaka, sy nametraka azy teo an-tongotr'i Jesoa dia nositraniny, 31 àny ka gaga dia gaga ireo vahoaka rehetra ireo nony nahita ny moana niteny, ny mandringa afa-mandeha, ny jamba nahiratra, ka nankalaza an'Andriamanitr'Israely izy ireo. 32 Ary niantso ny mpianany Jesoa, ka nilaza taminy hoe: Mampalahelo ahy ireto vahoaka, fa efa hateloana izay no tsy nisarahany tamiko, ka tsy manan-kohanina izy: tsy tiako ny hampody azy tsy homan-kanina, sao dia reraka eny an-dàlana izy.

33 Fa hoy ny mpianany taminy: Aiza no ahazahoanay mofo ampy hahavoky ireo vahoaka be ireo atý an'efitra? 34 Ary hoy Jesoa taminy: Manana mofo firy hianareo? Fito, hoy ireo taminy, sy hazandrano madinika vitsy foana. 35 Dia nasainy nipetraka tamin'ny tany ny vahoaka; 36 ary noraisiny ny mofo fito sy ny hazandrano, dia nanaovany fisaorana sy novakiny ka nomeny ny mpianany, ary ny mpianany kosa nanome ny vahoaka. 37 Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary sobika fito no feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangonina;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1343