Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-16

13 Ary nony tonga tany amin'ny faritany atao hoe: Sezarean'i Filipo Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe: Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'olona?

14 Ary hoy ireo: Ny sasany manao hoe: Joany Batista, ny sasany Elia, ary ny sasany Jeremia, na ny anankiray amin'ny mpaminany. 15 Dia hoy Jesoa taminy: Fa hianareo kosa, ataonareo ho iza aho? 16 Namaly Simona Piera ka nanao hoe: Hianao no Kristy zanak'Andriamanitra velona. 17 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Sambatra hianao, ry Simona zanak'i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. 18 Ary izaho milaza aminao fa hianao no Piera (vato), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin'ny afobe tsy haharesy azy. 19 Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra. 20 Ary tamin'izay, dia norarany ny mpianany mba tsy hilaza amin'ny olona fa izy no Kristy. 21 Hatramin'izay vao noborahin'i Jesoa tamin'ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema izy, ary ho ampijalian'ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin'ny lohandohan'ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangana amin'ny maty rahefa afaka hateloana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0705