Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-16

21 Hatramin'izay vao noborahin'i Jesoa tamin'ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema izy, ary ho ampijalian'ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin'ny lohandohan'ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangana amin'ny maty rahefa afaka hateloana.

22 Ary naka azy hitanila kely Piera ka niteny azy mafy hoe: Sanatria, Tompo, raha hihatra aminao izany! 23 Fa nihodina izy ka nilaza tamin'i Piera hoe: Mialà amiko, ry Satana! manafintohina ahy ity hianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr'Andriamanitra, fa araka ny an'ny olona. 24 Ary tamin'izay Jesoa dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: Raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazo fijaliany, ka hanaraka ahy.

25 Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy. 26 Inona no soa ho azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? 27 Fa ny Zanak'olona dia ho avy amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amin'ny anjeliny, ka amin'izay dia hamaly ny olona araka ny nataony izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1179