Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-17

1 Rahefa afaka henemana taorian'izany, nalain'i Jesoa Piera sy Jakoba ary Joany rahalahiny, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo.

2 Dia niova tarehy teo anatrehany izy; ka ny tavany nampirapiratra tahaka ny masoandro, ny fitafiany tonga fotsy mangatsakatsaka tahaka ny fahazavana. 3 Ary indreo niseho tamin'izy ireo Moizy sy Elia niresaka tamin'i Jesoa. 4 Dia niteny Piera nilaza tamin'i Jesoa hoe: Tompo, mahafinaritra ny mitoetra atý; ka raha sitrakao, andeha hanao lay telo atý, ny iray ho anao, ny iray ho an'i Moizy, ary ny iray ho an'i Elia. 5 Fa raha mbola niteny izy, dia indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo. Ary injao nisy feo avy tamin'io rahona io nanao hoe: Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy izy. 6 Nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sy natahotra indrindra. 7 Fa nanatona azy Jesoa, dia nanohina azy, ka nanao taminy hoe: Mitsangàna, fa aza matahotra. 8 Nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona afa-tsy Jesoa irery. 9 Ary rahefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy, dia hoy Jesoa nandrara azy ireo: Aza milaza na amin'iza na amin'iza izay vao hitanareo, ambara-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1833