Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-17

10 Dia nanontany azy ny mpianany nanao hoe: Ahoana ary no ilazan'ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha Elia? 11 Ary namaly izy ka nanao hoe: Tsy maintsy ho avy tokoa Elia, ka hanavao ny zavatra rehetra. 12 Nefa lazaiko aminareo fa tonga sahady Elia, fa tsy fantatry ny olona izy, ka nanaovany izay sitraky ny fony. Ary ho tahaka izany koa no hampijaliany ny Zanak'olona. 13 Dia fantatry ny mpianatra tamin'izay fa Joany Batista no nolazainy taminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0475