Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-18

1 Tamin'izay, nanatona an'i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe: Iza moa no ambony indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra?

2 Dia niantso zazalahy kely anankiray Jesoa ka napetrany teo afovoany, 3 ary hoy izy: Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova hianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra akory. 4 Koa amin'izany na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely izy, dia izy no lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra. 5 Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin'ny anarako, dia mandray ahy koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0564