Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-18

1 Tamin'izay, nanatona an'i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe: Iza moa no ambony indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra?

2 Dia niantso zazalahy kely anankiray Jesoa ka napetrany teo afovoany, 3 ary hoy izy: Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova hianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra akory. 4 Koa amin'izany na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely izy, dia izy no lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra. 5 Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin'ny anarako, dia mandray ahy koa. 10 Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin'ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny anjelin'izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin'ny Raiko izay any an-danitra.

12 Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo, ka handeha hitady ilay nania izy? 13 Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. 14 Toy izany koa, tsy tian'ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin'ireo madinika ireo aza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1879