Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 18, 1-5
Ny amin'ny fanetren-tena - Ny lova avy amin'ny fanafintohinana - Ny fanoharana amin'ny ondry very - Ny fananarana ny namana - Ny famelana ny hadisoany - Ny mpitrosa tsy nanan-kaloa.

       1Tamin'izay, nanatona an'i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe: Iza moa no ambony indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra? 2Dia niantso zazalahy kely anankiray Jesoa ka napetrany teo afovoany, 3ary hoy izy: Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova hianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra akory. 4Koa amin'izany na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely izy, dia izy no lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra. 5Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin'ny anarako, dia mandray ahy koa. >