Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-19

16 Ary indro nisy olona anankiray nanatona ka nilaza taminy hoe: Ry Mpampianatra tsara ô, inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?

17 Dia hoy izy namaly azy: Ahoana ary no iantsoanao ahy hoe tsara? Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra; ka raha te-hiditra any amin'ny fiainana hianao, tandremo ny didy. 18 Didy inona avy? hoy izy. Dia hoy Jesoa: Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina, 19 manajà ny rainao aman-dreninao, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 20 Hatry ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany, hoy ilay tovolahy taminy; ka inona no mbola tsy ampy amiko? 21 Ary hoy Jesoa taminy: Raha tany tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra hianao, ary rahefa izany dia avia hanaraka ahy. 22 Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin'alahelo, satria be ny fananany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0989