Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-2

1 Ary rahefa teraka tao Betlehema any Jodea Jesoa tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, indreo nisy Majy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema

2 nanao hoe: Aiza ilay Mpanjakan'ny Jody vao teraka? fa efa nahita ny kintany tany atsinanana izahay ka nankaty mba hitsaoka azy. 3 Raha nahare izany Heroda mpanjaka, dia taitra izy mbamin'i Jerosalema rehetra, 4 ka namory ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin'ny vahoaka izy, ary nanontany azy hoe: Aiza no hahaterahan'ny Kristy? 5 Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema any Jodea, fa izao no voasoratry ny mpaminany: 6 Ary hianao, ry Betlehema tanin'i Jodà, tsy hianao no kely indrindra amin'ny renivohitr'i Jodà, fa avy ao aminao no hivoahan'ilay Mpanjaka izay hifehy ny oloko. 7 Dia nalain'i Heroda mangingina ny Majy, ka nohadihadiny fatratra ny andro nisehoan'ny kintana taminy. 8 Ary naniraka azy ho any Betlehema izy nanao hoe: Andeha ka fotopotory tsara ny amin'ilay Zaza; ary rahefa hitanareo, dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka azy. 9 Ary rahefa nandre ny tenin'ny mpanjaka izy ireo, dia lasa. Ary indro ilay kintana hitany tany atsinanana, dia nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zaza. 10 Faly dia faly izy nony nahita ny kintana, 11 ary rahefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny, ka niankohoka nitsoaka azy; ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira. 12 Ary rahefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin'i Heroda, dia làlan-kafa no nalehany nody ho any amin'ny fonenany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0954