Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-2

1 Ary rahefa teraka tao Betlehema any Jodea Jesoa tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, indreo nisy Majy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema

2 nanao hoe: Aiza ilay Mpanjakan'ny Jody vao teraka? fa efa nahita ny kintany tany atsinanana izahay ka nankaty mba hitsaoka azy. 10 Faly dia faly izy nony nahita ny kintana, 11 ary rahefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny, ka niankohoka nitsoaka azy; ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira. 12 Ary rahefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin'i Heroda, dia làlan-kafa no nalehany nody ho any amin'ny fonenany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1045