Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-20

17 Ary nalain'i Jesoa mangingina ny mpianany roa ambin'ny folo, tamin'izy niakatra ho any Jerosalema ka nilazany hoe:

18 Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak'olona dia hatolotra amin'ny lohandohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna, ary ireo hanameloka azy ho faty, 19 ka hanolotra azy amin'ny jentily mba hoesoiny, sy hokapohiny, ary hofantsihana amin'ny hazo fijaliana; fa hitsangana indray izy amin'ny andro fahatelo. 20 Ary tamin'izany nanatona azy ny renin'ny zanak'i Zebede mbamin'ny zanany lahy, ka nitsaoka azy ary nangataka zavatra taminy.

21 Inona no irinao, hoy Jesoa taminy? Dia hoy izy: Aoka ireto zanako roalahy ireto mba hipetraka eo an-kavananao ny anankiray ary eo an-kavianao ny anankiray, ao amin'ny fanjakanao. 22 Dia hoy ny famalin'i Jesoa: Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Moa mahasotro izay kapoaka hosotroko va hianareo? Efanay ihany, hoy ireo taminy. 23 Ary hoy izy taminy: Raha ny amin'ny kapoakako, dia hosotroinareo tokoa; fa raha ny amin'ny hipetraka eo an-kavanako sy eo an-kaviako kosa, dia tsy ahy ny hanome anareo izany, fa homena izay nanamboaran'ny Raiko azy. 24 Fa nasain'i Jesoa hanatona azy izy ireo, ka nilazany hoe: Fantatrareo fa ny mpanjakan'ny jentily mandidy azy mafy, ary ny lehibeny mifehy fatratra. 25 Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo kosa, no aoka ho mpanomponareo izy, 26 Ary nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin'izy mirahalahy. 27 ary izay te-ho lohany aminareo, no aoka ho andevonareo: 28 dia tahaka ny Zanak'olona izany; fa izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1248