Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-20

20 Ary tamin'izany nanatona azy ny renin'ny zanak'i Zebede mbamin'ny zanany lahy, ka nitsaoka azy ary nangataka zavatra taminy.

21 Inona no irinao, hoy Jesoa taminy? Dia hoy izy: Aoka ireto zanako roalahy ireto mba hipetraka eo an-kavananao ny anankiray ary eo an-kavianao ny anankiray, ao amin'ny fanjakanao. 22 Dia hoy ny famalin'i Jesoa: Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Moa mahasotro izay kapoaka hosotroko va hianareo? Efanay ihany, hoy ireo taminy. 23 Ary hoy izy taminy: Raha ny amin'ny kapoakako, dia hosotroinareo tokoa; fa raha ny amin'ny hipetraka eo an-kavanako sy eo an-kaviako kosa, dia tsy ahy ny hanome anareo izany, fa homena izay nanamboaran'ny Raiko azy. 24 Fa nasain'i Jesoa hanatona azy izy ireo, ka nilazany hoe: Fantatrareo fa ny mpanjakan'ny jentily mandidy azy mafy, ary ny lehibeny mifehy fatratra. 25 Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo kosa, no aoka ho mpanomponareo izy, 26 Ary nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin'izy mirahalahy. 27 ary izay te-ho lohany aminareo, no aoka ho andevonareo: 28 dia tahaka ny Zanak'olona izany; fa izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0632