Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-21

1 Ary rahefa nanakaiky an'i Jerosalema izy ireo, ka tonga tao Betifage anilan'ny tendrombohitry ny Oliva, dia naniraka mpianatra roalahy Jesoa

2 ka nilazany hoe: Mankanesa amin'itsy vohitra tandrifinareo itsy, ary rahefa mby ao hianareo dia hahita ampondravavy mifatotra sy ny zanany eo aminy: vahao izy, dia ento atý amiko; 3 ka raha tahiny misy miteny anareo, dia ilazao hoe: Misy ilan'ny Tompo azy; dia havelany hoentinareo miaraka amin'izay izy. 4 Ary tonga izany rehetra izany mba ho tanteraka ity teny nolazain'ny mpaminany ity hoe: 5 Lazao amin'ny zanakavavin'i Siona hoe: Indro ny Mpanjakanao mankeo aminao, malemy fanahy sady mitaingina ampondra, dia zanak'ampondra mitondra jioga. 6 Dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nasain'i Jesoa nataony, 7 dia nentiny ny ampondra sy ny zanany ka nataony teo amboniny ny fitafiany, dia nitaingina teo Jesoa. 8 Be ny vahoaka namelatra ny fitafiany teny amin'ny làlana; ny sasany kosa naka rantsan-kazo dia nampihahaka azy teny an-dàlana koa; 9 ary ny vahoaka izay nialoha sy izay nanaraka azy, samy niantso nanao hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida. Isaorana anie izay avy amin'ny anaran'ny Tompo! Hosana any amin'ny avo indrindra. 10 Ary nony efa tonga tao Jerosalema izy, dia taitra avokoa ny tao an-tanàna ka nanao hoe: Iza moa izao? 11 Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izy no Jesoa mpaminany, avy any Nazareta any Galilea. 12 Dia niditra tao amin'ny tempolin'Andriamanitra Jesoa, ka nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy tao anatin'ny tempoly, sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola mbamin'ny fipetrahan'ny mpivaro-boromailala.

13 Dia hoy izy tamin'ireo: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana, fa hianareo kosa manao azy ho trano fandrian-dompy. 14 Ary nisy jamba sy mandringa nanatona azy teo amin'ny tempoly ka nositraniny izy ireo. 15 Fa tezitra ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, nony nahita ny fahagagana nataony sy ireto ankizy madinika nihoraka tao an-tempoly nanao hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida, 16 ka dia niteny taminy hoe: Renao va izay lazain'ireo? Eny, hoy Jesoa, moa mbola tsy novakinareo va ny hoe: Avy amin'ny vavan'ny ankizy sy ny zaza minono no hahazoanao dera? 17 Dia nilaozany teo ireo, ary niala tao an-tanàna izy ka nankany Betania, dia nandry tany. 18 Nony niverina maraina ho any an-tanàna izy, dia noana.

19 Ary nahita aviavim-bazaha anankiray teo amoron-dàlana izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita teo aminy afa-tsy ravina ihany; dia hoy izy taminy: Aza misy voa avy aminao mandrakizay. Niaraka tamin'izay dia maina ilay aviavy. 20 Ary gaga ny mpianatra nahita izany ka nanao hoe: Adre! nahoana re no dia maina vetivety foana teo ity aviavy e? 21 Ary Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Izaho milaza marina aminareo, fa raha manam-pinoana hianareo ka tsy misalasala, dia tsy ny natao tamin'ny aviavy ihany no ho vitanareo, fa na itsy tendrombohitra itsy aza hilazanareo hoe: Mialà hianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany. 22 Ary na inona na inona hangatahinareo amim-pinoana amin'ny fivavahana, dia ho azonareo. 23 Ary rahefa tafiditra tao amin'ny tempoly izy ka nampianatra teo, dia nanatona azy ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana avy aiza no anaovanao izao? ary iza no nahazoanao izany fahefana izany?

24 Namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Hanontaniako zavatra iray loha kosa hianareo; ka raha voavalinareo izany dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. 25 Avy taiza moa ny batemin'i Joany? avy tany an-danitra, sa avy tamin'ny olona? Dia nieritreritra ireo ka nanao hoe: 26 Raha hataontsika hoe: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe: Raha izany, nahoana no tsy nino azy hianareo? Ary raha hataontsika hoe: Avy tamin'ny olona indray, ny vahoaka kosa no atahorantsika; fa ataon'izy rehetra ho mpaminany Joany. 27 Dia izao no navaliny an'i Jesoa: Tsy fantatray. - Izaho kosa ary, hoy izy taminy, dia tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao. 28 Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy, dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe: Andeha, anaka, miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio.

29 Tsy handeha aho, hoy izy; kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany. 30 Dia nankeo amin'ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa. Handeha aho, tompoko, hoy io; kanefa tsy nandeha izy. 31 Iza moa amin'izy roa lahy no nanao ny sitra-pon'ny rainy? Ny lahimatoa, hoy ireo. Dia hoy Jesoa taminy: Izaho milaza marina aminareo fa ny poblikàna sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo, ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra; 32 fa tonga teo aminareo tamin'ny làlan'ny fahamarinana Jonasy, nefa hianareo tsy nino azy; fa ny poblikàna sy ny vehivavy janga no nino azy; ary hianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy. 33 Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano anankiray namboly voaloboka; namefy azy manodidina izy, sy nandavaka tany hanaovana famiazana teo, ary nanao tilikambo; dia nahofany tamin'ny mpiasa izany, ka lasa nandeha lavitra izy.

34 Nony tonga ny taom-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin'ireo mpiasa ny ankizilahiny, handray ny vokatry ny tanim-boalobony; 35 fa nosamborin'ireo mpiasa ny ankizilahiny, ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato. 36 Dia naniraka ankizilahy maromaro kokoa noho ny taloha indray izy, fa nataony toraka izany ihany koa. 37 Nony farany dia ny zanany lahy no nirahiny ho any aminy, fa hanaja ny zanako izy, hoy izy. 38 Kanjo nony hitan'ireo mpiasa ilay zanany lahy, dia nifampilaza izy ireo hoe: Ity ny mpandova; andeha hovonointsika ity, dia ho lasantsika ny lovany, 39 Dia nosamboriny izy ka nentiny tany ivelan'ny tanim-boaloboka, ary novonoiny. 40 Koa rahefa tonga ilay tompon'ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa izany? 41 Haringany tsy hananany antra akory izany mpiasa ratsy fanahy izany, hoy ireo taminy, ary ny tanim-boalobony dia hahofany amin'ny mpiasa hafa, izay hanome ny vokatry ny tany amin'ny fotoany. 42 Dia hoy Jesoa taminy: Tsy mba novakinareo va ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian'ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro; avy tamin'ny Tompo izany, ka mahagaga eo imasontsika? 43 Noho izany dia lazaiko aminareo, fa hesorina aminareo ny fanjakan'Andriamanitra, ka hafindra amin'ny firenena hampahavokatra azy. 44 Izay ho lavo amin'ity vato ity dia ho torotoro; ary izay hianjeran'ity vato ity dia ho mongomongo. 45 Nony nandre ny fanoharana nataony ny lohandohan'ny mpisorona sy ny Farisiana, dia nahalala fa izy ireo no lazainy amin'izany, 46 ka nitady hisambotra azy; saingy natahotra ny vahoaka izay nanao azy ho mpaminany izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0855