Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-21

1 Ary rahefa nanakaiky an'i Jerosalema izy ireo, ka tonga tao Betifage anilan'ny tendrombohitry ny Oliva, dia naniraka mpianatra roalahy Jesoa

2 ka nilazany hoe: Mankanesa amin'itsy vohitra tandrifinareo itsy, ary rahefa mby ao hianareo dia hahita ampondravavy mifatotra sy ny zanany eo aminy: vahao izy, dia ento atý amiko; 3 ka raha tahiny misy miteny anareo, dia ilazao hoe: Misy ilan'ny Tompo azy; dia havelany hoentinareo miaraka amin'izay izy. 4 Ary tonga izany rehetra izany mba ho tanteraka ity teny nolazain'ny mpaminany ity hoe: 5 Lazao amin'ny zanakavavin'i Siona hoe: Indro ny Mpanjakanao mankeo aminao, malemy fanahy sady mitaingina ampondra, dia zanak'ampondra mitondra jioga. 6 Dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nasain'i Jesoa nataony, 7 dia nentiny ny ampondra sy ny zanany ka nataony teo amboniny ny fitafiany, dia nitaingina teo Jesoa. 8 Be ny vahoaka namelatra ny fitafiany teny amin'ny làlana; ny sasany kosa naka rantsan-kazo dia nampihahaka azy teny an-dàlana koa; 9 ary ny vahoaka izay nialoha sy izay nanaraka azy, samy niantso nanao hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida. Isaorana anie izay avy amin'ny anaran'ny Tompo! Hosana any amin'ny avo indrindra. 10 Ary nony efa tonga tao Jerosalema izy, dia taitra avokoa ny tao an-tanàna ka nanao hoe: Iza moa izao? 11 Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izy no Jesoa mpaminany, avy any Nazareta any Galilea.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1758