Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 21, 28-31

       <28Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy, dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe: Andeha, anaka, miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio. 29Tsy handeha aho, hoy izy; kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany. 30Dia nankeo amin'ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa. Handeha aho, tompoko, hoy io; kanefa tsy nandeha izy. 31Iza moa amin'izy roa lahy no nanao ny sitra-pon'ny rainy? Ny lahimatoa, hoy ireo. Dia hoy Jesoa taminy: Izaho milaza marina aminareo fa ny poblik├ána sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo, ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra; >