Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-21

23 Ary rahefa tafiditra tao amin'ny tempoly izy ka nampianatra teo, dia nanatona azy ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana avy aiza no anaovanao izao? ary iza no nahazoanao izany fahefana izany?

24 Namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Hanontaniako zavatra iray loha kosa hianareo; ka raha voavalinareo izany dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. 25 Avy taiza moa ny batemin'i Joany? avy tany an-danitra, sa avy tamin'ny olona? Dia nieritreritra ireo ka nanao hoe: 26 Raha hataontsika hoe: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe: Raha izany, nahoana no tsy nino azy hianareo? Ary raha hataontsika hoe: Avy tamin'ny olona indray, ny vahoaka kosa no atahorantsika; fa ataon'izy rehetra ho mpaminany Joany. 27 Dia izao no navaliny an'i Jesoa: Tsy fantatray. - Izaho kosa ary, hoy izy taminy, dia tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0875