Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Toko faha-21
33 Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano anankiray namboly voaloboka; namefy azy manodidina izy, sy nandavaka tany hanaovana famiazana teo, ary nanao tilikambo; dia nahofany tamin'ny mpiasa izany, ka lasa nandeha lavitra izy.34 Nony tonga ny taom-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin'ireo mpiasa ny ankizilahiny, handray ny vokatry ny tanim-boalobony; 35 fa nosamborin'ireo mpiasa ny ankizilahiny, ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato. 36 Dia naniraka ankizilahy maromaro kokoa noho ny taloha indray izy, fa nataony toraka izany ihany koa. 37 Nony farany dia ny zanany lahy no nirahiny ho any aminy, fa hanaja ny zanako izy, hoy izy. 38 Kanjo nony hitan'ireo mpiasa ilay zanany lahy, dia nifampilaza izy ireo hoe: Ity ny mpandova; andeha hovonointsika ity, dia ho lasantsika ny lovany, 39 Dia nosamboriny izy ka nentiny tany ivelan'ny tanim-boaloboka, ary novonoiny. 40 Koa rahefa tonga ilay tompon'ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa izany? 41 Haringany tsy hananany antra akory izany mpiasa ratsy fanahy izany, hoy ireo taminy, ary ny tanim-boalobony dia hahofany amin'ny mpiasa hafa, izay hanome ny vokatry ny tany amin'ny fotoany. 42 Dia hoy Jesoa taminy: Tsy mba novakinareo va ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian'ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro; avy tamin'ny Tompo izany, ka mahagaga eo imasontsika? 43 Noho izany dia lazaiko aminareo, fa hesorina aminareo ny fanjakan'Andriamanitra, ka hafindra amin'ny firenena hampahavokatra azy.