Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-22

15 Ary tamin'izay dia lasa ny Farisiana niray tetika hamandrika azy amin'ny teniny.

16 Dia naniraka ny mpianany niaraka tamin'ny Herodiana ho any aminy izy ireo nanao hoe: Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina hianao, ary mampianatra ny lalàn'Andriamanitra araka ny marina, ka tsy mampaninona anao ny olona; satria tsy mizaha tavan'olona hianao. 17 Koa mba lazao aminay izay hevitrao ny amin'ity: mety va ny mandoa hetra ho an'i Sezara sa tsia? 18 Fa Jesoa nahalala ny faharatsiany ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, nahoana hianareo no maka fanahy ahy? 19 Asehoy ahy ny farantsa kely fandoa amin'ny hetra: dia nanasehoany denie iray izy. 20 Ary hoy Jesoa taminy: Sarin'iza, sy anaran'iza ity? 21 An'i Sezara, hoy ireo. Raha izany àry, hoy izy, dia aloavy ho an'i Sezara izay an'i Sezara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0707