Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-22

34 Nony ren'ny Farisiana fa nataon'i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseana, dia nivory izy rehetra;

35 ary ny anankiray izay mpahay Lalàna tamin'izy ireo nanontany azy mba haka fanahy azy hoe: 36 Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin'ny Lalàna? 37 Ary hoy Jesoa taminy: Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. 38 Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; 39 ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 40 Ao amin'izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0331