Evanjely Masin'i Jeso-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 22. 15-21
15 Ary tamin'izay dia lasa ny Farisiana niray tetika hamandrika azy amin'ny teniny. 16 Dia naniraka ny mpianany niaraka tamin'ny Herodiana ho any aminy izy ireo nanao hoe: Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina hianao, ary mampianatra ny lalàn'Andriamanitra araka ny marina, ka tsy mampaninona anao ny olona; satria tsy mizaha tavan'olona hianao. 17 Koa mba lazao aminay izay hevitrao ny amin'ity: mety va ny mandoa hetra ho an'i Sezara sa tsia? 18 Fa Jeso nahalala ny faharatsiany ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, nahoana hianareo no maka fanahy ahy? 19 Asehoy ahy ny farantsa kely fandoa amin'ny hetra: dia nanasehoany denie iray izy. 20 Ary hoy Jeso taminy: Sarin'iza, sy anaran'iza ity? 21 An'i Sezara, hoy ireo. Raha izany àry, hoy izy, dia aloavy ho an'i Sezara izay an'i Sezara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.