Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-23

1 Tamin'izay dia niteny tamin'ny vahoaka sy tamin'ny mpianany Jesoa

2 nanao hoe: Efa mipetraka eo amin'ny fipetrahan'i Moizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana; 3 ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny izy fa tsy manao. 4 Fehezin'izy ireo ny enta-mavesatra sarotra entina, dia atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa izy tsy mety hanetsika izany na dia amin'ny rantsan-tànany akory aza. 5 Ny mba ho hitan'ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra, ka dia filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an'ny olona no entiny. 6 Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin'ny fanasana, ny fipetrahana voalohany amin'ny sinagoga, 7 ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin'ny olona hoe Raby. 8 Fa hianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe Raby, fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa hianareo rehetra. 9 Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra. 10 Aza mety hatao hoe mpampianatra; fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, dia ny Kristy. 11 Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo; 12 fa izay hanandra-tena dia haetry, ary izay hanetry tena dia hasandratra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0781