Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-24

42 Koa miambena ary, fa tsy fantatrareo izay tapak'andro hihavian'ny Tomponareo.

43 Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamìna ny tranony. 44 Koa aoka ary ho vonona koa hianareo, fa ho avy amin'ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak'olona. 45 Iza moa no mpanompo mahatoky sy hendry izay notendren'ny tompony ho mpifehy ny ankiziny, mba hanome hanina azy amin'ny fotoany? 46 Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany; 47 lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy. 48 Fa raha ratsy fanahy kosa ilay mpanompo ka manao anakampo hoe: Mbola ho ela ny tompoko vao ho avy, 49 ka mikapoka ny mpanompo namany izy sy miara-mihinana sy misotro amin'ny mpimamo, 50 dia ho avy amin'ny andro tsy ampoiziny sy amin'ny ora tsy fantany ny tompon'izany mpanompo izany, 51 ka hotapahiny roa izy ary haraikiny ho any amin'ny mpihatsaravelatsihy ny anjarany: any no hisy fitoamaniana sy fikitroha-nify.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0703