Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-24

37 Fa tahaka ny tamin'ny andron'i Noe, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona. 38 Fa tamin'ny andro nialoha ny safo-drano, dia nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy ny olona, mandra-pahatongan'ny andro nidiran'i Noe tao amin'ny sambo fiara, 39 ka tsy nahalala izy ireo raha tsy efa tonga tokoa ny safo-drano izay nandringana azy rehetra: dia ho toy izany indrindra ny fihavian'ny Zanak'olona. 40 Amin'izany, amin'ny olona roa lahy izay ho sendra eny an-tsaha, dia horaisina ny iray, ary havela ny iray; 41 amin'ny vehivavy roa izay hiara-manodina ny fikosohan-dafarina, dia horaisina ny anankiray, ary havela ny iray. 42 Koa miambena ary, fa tsy fantatrareo izay tapak'andro hihavian'ny Tomponareo.

43 Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamìna ny tranony. 44 Koa aoka ary ho vonona koa hianareo, fa ho avy amin'ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak'olona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179