Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-25

14 Fa Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny, ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy.

15 Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray, samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy. 16 Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa. 17 Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa; 18 fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan'ny tompony. 19 Nony ela dia niverina ny tompon'ireo mpanompo ireo, ka nampamoaka azy ny amin'ny volany.

20 Dia nanatona ilay nandray talenta dimy, nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe: Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho. 21 Dia hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho hianao nahatoky tamin'ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be hianao: miaraha mifaly amin'ny tomponao. 22 Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe: Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho. 23 Dia hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho hianao nahatoky tamin'ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be hianao: miaraha mifaly amin'ny tomponao. 24 Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe: Tompoko, fantatro fa olona lozabe hianao, fa mijinja amin'izay tsy namafazanao, ary manangona amin'izay tsy nanahafanao, 25 ka natahotra aho dia lasa naleviko tany anatin'ny tany ny talentanao: koa indro averiko aminao ny anao. 26 Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady kamo, fantatrao fa mijinja amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona amin'izay tsy nanahafako; 27 koa tokony ho napetrakao tany amin'ny mpampanana ny volako, ary rahefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany. 28 Alao ary ny talenta folo; 29 fa izay manana no homena, ka hanam-be izy, fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin'izay ananany aza. 30 Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin'ny maizina any: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2313