Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-25

31 Ary rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak'olona otronin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny izy;

32 ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy; 33 ny ondry moa hataony eo an-kavanany; ary ny osy kosa eo an-kaviany. 34 Amin'izay ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo an-kavanany hoe: Avia hianareo, ry nohasoavin'ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao. 35 Fa noana aho, nomenareo hanina, nangetaheta aho, nomenareo hosotroina; nivahiny aho, nampiantranoinareo; 36 tsy nitafy aho, notafianareo; narary aho, novangianareo, tany an-tranomaizina aho, notsidihinareo. 37 Ary dia hamaly azy ny marina ka hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana hianao ka nomenay hanina; nangetaheta ka nomenay hosotroinao? 38 Oviana no hitanay nivahiny hianao ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafinay? 39 Oviana no hitanay narary hianao na tany an-tranomaizina ka novangianay? 40 Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto hianareo, dia nanao izany tamiko. 41 Ary dia hiteny amin'ireo eo an-kaviany kosa indray izy ka hanao hoe: MialĂ  amiko hianareo, ry voaozona, mba ho any amin'ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an'ny demony sy ny anjeliny.

42 Fa noana aho, tsy nomenareo hanina; nangetaheta aho, tsy nomenareo hosotroina; 43 nivahiny aho, tsy nampiantranoinareo; tsy nitafy aho, tsy notafianareo; narary aho sy tany an-tranomaizina, tsy novangianareo. 44 Dia hamaly azy koa ireo hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tany an-tranomaizina ka tsy namonjy anao izahay? 45 Fa hovaliany hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny tsy nanao izany tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto hianareo, dia tsy nanao izany tamiko koa. 46 Dia ho any amin'ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin'ny fiainana mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729