Evanjely Masin'i Jeso-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 26
Ny teti-dratsin'ny loholona - Tao an-tranon'i Simona ilay boka - Jodasy mpamadika - Ny namoronana ny Eokaristia - Jeso tao Getsemaný sy teo anatrehan'i Kaifa.
1 Ary rahefa tapi-niteny izany rehetra izany Jeso, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: 2 Fantatrareo fa raha afaka indroa andro dia tonga ny Paka, ary ny Zanak'olona hatolotra hofantsihana amin'ny hazo fijaliana. 3 Tamin'izay dia nivory tao an-tranon'ny lehiben'ny mpisorona atao hoe Kaifa ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona, 4 ary niara-nioko hisambotra an'i Jeso am-pitaka, sy hamono azy izy ireo; 5 kanefa aoka tsy ho amin'ny andro fety, hoy izy ireo, fandrao mitabataba ny vahoaka.
6 Ary nony tany Betania Jeso, tao an-tranon'i Simona boka, 7 dia nisy vehivavy anankiray nanatona azy, nitondra tavoara alabastra feno diloilo manitra saro-bidy, sy nanidina izany tamin'ny lohany raha mbola nipetraka nihinana izy. 8 Tezitra ny mpianany nony nahita izany ka nanao hoe: Nahoana re iny no lanina foana toy izao? 9 nefa lafo be iny raha namidy ka homena ny mahantra. 10 Nahalala izany Jeso, ka nanao taminy hoe: Nahoana hianareo no manao ny mpampalahelo an-dravehivavy io? Asa soa izay vao nataony tamiko: 11 ny mahantra moa dia misy eto aminareo mandrakariva, fa izaho kosa tsy ho eto aminareo mandrakariva. 12 Izy no mampidina izany zava-manitra izany tamiko, dia ny mba handevenana ahy no nanaovany an'izany. 13 Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza hitoriana ity Evanjely ity amin'izao tontolo izao, dia holazaina koa ny nataon-dravehivavy ho fankalazana azy.
14 Ary tamin'izay ny anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy atao hoe Jodasy Iskariota nankany amin'ny lohandohan'ny mpisorona, 15 ka nanao taminy hoe: Homenareo hoatrinona aho, dia hatolotro anareo izy? Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo. 16 Hatramin'izay dia nikendry izay hamadihana azy izy.
17 Ary tamin'ny andro voalohany fihinanana ny azima, dia nanatona an'i Jeso ny mpianany ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboaranay hihinananao ny Paka? 18 Dia hoy Jeso taminy: Mankanesa any an-tanàna ao amin-dranona ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoan'androko, ka hanao ny Paka ato aminareo aho sy ny mpianatro. 19 Nanao araka izay nasain'i Jeso nataony ny mpianatra ka namboatra ny Paka. 20 Nony hariva ny andro, dia nipetraka hihinana izy mbamin'ny mpianany roa ambin'ny folo lahy. 21 Teo am-pihinanana dia hoy izy: Lazaiko marina aminareo fa ny anankiray aminareo hamadika ahy. 22 Nalahelo mafy izy ireo ka samy nanontany hoe: Moa izaho va izany, Tompoko? 23 Dia namaly izy ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao an-dovia, izy no hamadika ahy. 24 Ny Zanak'olona dia mandeha araka ny nanoratana azy; kanefa loza ho an'izay olona hamadika ny Zanak'olona! tsara ho azy ny tsy teraka. 25 Dia mba niteny Jodasy ilay namadika azy nanao hoe: Raby, moa izaho va izany? ka novaliany hoe: Voalazanao.
26 Mbola teo am-pihinanana, dia nandray mofo Jeso, notsofiny rano sy novakiny, ary nomeny ny mpianany ka hoy izy: Raiso ary hano; ity no vatako. 27 Rahefa izany, dia nandray ny kalisy izy, ary rahefa nanao fisaorana dia nomeny azy ireo nataony hoe: Isotroinareo rehetra ity; 28 fa ity no rako, dia ny ran'ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka. 29 Lazaiko aminareo, fa tsy hisotro amin'itony vokatry ny foto-boaloboka itony intsony aho, ambara-pihavin'ny andro hiarahako misotro aminareo ny vaovao indray, any amin'ny fanjakan'ny Raiko.
30 Ary rahefa nanao hira fisaorana izy ireo, dia lasa nankany amin'ny tendrombohitry ny Oliva. 31 Dia hoy Jeso taminy: Ho tafintohina noho ny amiko hianareo rehetra anio alina, fa efa voasoratra hoe: Hokapohiko ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry andrasana; 32 fa rahefa tafatsangana aho, dia hialoha anareo any Galilea. 33 Fa Piera namaly hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza izy rehetra, izaho tsy ho tafintohina na oviana na oviana. 34 Ary hoy Jeso taminy: Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan'ny maneno akoho, dia handà ahy intelo hianao. 35 Fa hoy Piera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà anao. Dia nilaza toy izany koa ny mpianatra rehetra.
36 Tamin'izay Jeso sy ny mpianany dia tonga tao amin'ny saha anankiray atao hoe Getsemaný, ary hoy izy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto hianareo, raha mbola mankany hivavaka aho. 37 Ary nitondra an'i Piera sy izy roalahy zanak'i Zebede hiaraka aminy izy, dia nanomboka nozoin'alahelo sy fahoriana mafy. 38 Ka hoy izy tamin'ireo: Ory ny fanahiko ka ila hahafaty ahy; mijanòna eto ka miaraha miari-tory amiko. 39 Ary nony nandroso kely izy, dia nihohoka tamin'ny tany ka nivavaka nanao hoe: Raiko, raha azo atao, aoka hesorina amiko ity kapoaka ity, kanefa aoka tsy ny sitra-poko no ho tanteraka, fa ny anao. 40 Dia nankeo amin'ny mpianany izy, ka hitany fa natory ireo, dia hoy izy tamin'i Piera: Hay hianareo tsy nahazaka ny miara-miari-tory amiko ora iray akory? 41 Miambena sy mivavaha, mba tsy ho latsaka amin'ny fakam-panahy hianareo. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa. 42 Dia nandeha fanindroany izy ka nivavaka hoe: Raiko, raha tsy azo esorina ity kapoaka ity fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ho tanteraka anie ny sitra-ponao. 43 Ary niverina izy ka nahita azy natory, fa efa navesatra ny masony; 44 dia nilaozany ireo ka nandeha indray izy nivavaka fanintelony, ary ny teniny teo no naveriny. 45 Izay vao nankeo amin'ny mpianany izy ka nanao taminy hoe: Matoria amin'izao hianareo, ary mialà sasatra, indro fa efa antomotra ny fotoana, ary efa hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ny Zanak'olona. 46 Mitsangàna hianareo, andeha isika; fa efa akaiky ilay hamadika ahy.
47 Raha mbola niteny izany izy, dia indro tamy Jodasy isan'ny roa ambin'ny folo lahy, arahin'ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona. 48 Efa nomen'ilay mpamadika famantarana toy izao izy ireo: Izay horohako no izy, ka sambory. 49 Ary niaraka tamin'izay dia nanatona an'i Jeso izy ka nanao hoe: Arahaba, Raby; dia nanoroka azy. 50 Ary hoy Jeso: Ry sakaiza, haninona aty hianao? Tamin'izay dia nanatona ny sasany ka nisambotra an'i Jeso sy nihazona azy. 51 Ary indro ny anankiray amin'izay teo amin'i Jeso nandray ny sabany, dia namely ny mpanompon'ny lehiben'ny mpisorona ka nahafaka ny sofiny anila. 52 Fa hoy Jeso taminy: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao, fa izay rehetra hamely amin'ny sabatra dia ho fatin'ny sabatra. 53 Moa ataonao fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko aho, ka haniraka anjely tsy omby lejiona roa ambin'ny folo izy ho eto amiko? 54 Fa hatao ahoana àry no hahatanteraka ny Soratra Masina izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao? 55 Ary tamin'izay dia hoy Jeso tamin'ireo vahoaka ireo: Mova tsy ny hisambotra jiolahy hianareo mitondra sabatra sy langilangy hisambotra ahy; nipetraka isan'andro teo aminareo aho, nampianatra teo an-tempoly, nefa tsy nosamborinareo; 56 fa tonga izany rehetra izany mba ho tanteraka izay efa voasoratry ny Mpaminany. Ary tamin'izay dia nandao azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
57 Ary izay nisambotra an'i Jeso dia nitondra azy tany amin'i Kaifa lehiben'ny mpisorona, izay nivorian'ny mpanora-dalàna sy ny loholona. 58 Nanaraka azy teny lavidavitra teny Piera, hatrany an-tokotanin'ny lehiben'ny mpisorona. Niditra tao izy dia niara-nipetraka teo amin'ny mpiandry raharaha mba hahita izay farany. 59 Tamin' izay ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona rehetra dia nitady izay hiampangana lainga an'i Jeso hamonoana azy, 60 fa tsy nahita izy na dia betsaka aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Nony farany, dia nisy roa tonga, 61 ka nanao hoe: Ilay io nilaza hoe: Mahay mandrava ny tempolin'Andriamanitra aho, ary mahay manangana azy amin'ny hateloana indray. 62 Dia nitsangana ilay lehiben'ny mpisorona, ka nanao taminy hoe: Nahoana no tsy valianao izany fiampangan'ireo anao izany? 63 Fa tsy niteny Jeso. Ary hoy ilay lehiben'ny mpisorona taminy: Mandidy anao amin'ny anaran'Andriamanitra velona aho, hilaza aminay raha hianao no Kristy Zanak'Andriamanitra. 64 Dia hoy Jeso taminy: Voalazanao. Ary lazaiko aminareo koa fa indray andro any hianareo hahita ny Zanak'olona mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra be fahefana sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra. 65 Tamin'izay dia notriarin'ilay lehiben'ny mpisorona ny fitafiany ka hoy izy: Niteny ratsy an'Andriamanitra izy, ka ahoana indray no ilantsika vavolombelona? Indro efa renareo ny fitenenany ratsy an'Andriamanitra: 66 ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Mendrika ho faty izy. 67 Dia nororany ny tavany ka nasiany totohondry izy; 68 ary ny sasany sady namely tehamaina azy no nanao hoe: Vinanio, ry Kristy, iza no namely anao?
69 Tamin'izany Piera nipetraka teo alatrano, ary nisy ankizivavy anankiray nanatona azy ka nanao taminy hoe: Hianao koa naman'i Jeso Galileana; 70 fa nolaviny teo anatrehan'izy rehetra izany ka hoy izy: Tsy fantatro izay lazainao. 71 Dia nankeo am-bavahady izy, ndeha hitsoaka, fa hitan'ny ankizivavy anankiray hafa koa, ka nolazainy tamin'ny olona teo hoe: Ity koa naman'i Jeso Nazareana; 72 fa nandà fanindroany indray izy sady nianiana nanao hoe: Tsy fantatro izany lehilahy izany. 73 Nony afaka kelikely dia nohatonin'ny olona teo Piera, ka nilazany hoe: Marina tokoa raha tsy namany hianao, fa na ny fiteninao aza dia ampy hahalalana izany. 74 Ary tamin'izay dia sady niozona izy no nianiana fa tsy fantany izany lehilahy izany. Niaraka tamin'izay naneno ny akoho, 75 ka tsaroan'i Piera ny tenin'i Jeso nanao hoe: Alohan'ny maneno akoho, handà ahy intelo hianao. Dia nivoaka izy ka nitomany fatratra.