Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-26

14 Ary tamin'izay ny anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy atao hoe Jodasy Iskariota nankany amin'ny lohandohan'ny mpisorona,

15 ka nanao taminy hoe: Homenareo hoatrinona aho, dia hatolotro anareo izy? Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo. 16 Hatramin'izay dia nikendry izay hamadihana azy izy. 17 Ary tamin'ny andro voalohany fihinanana ny azima, dia nanatona an'i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboaranay hihinananao ny Paka?

18 Dia hoy Jesoa taminy: Mankanesa any an-tanàna ao amin-dranona ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoan'androko, ka hanao ny Paka ato aminareo aho sy ny mpianatro. 19 Nanao araka izay nasain'i Jesoa nataony ny mpianatra ka namboatra ny Paka. 20 Nony hariva ny andro, dia nipetraka hihinana izy mbamin'ny mpianany roa ambin'ny folo lahy. 21 Teo am-pihinanana dia hoy izy: Lazaiko marina aminareo fa ny anankiray aminareo hamadika ahy. 22 Nalahelo mafy izy ireo ka samy nanontany hoe: Moa izaho va izany, Tompoko? 23 Dia namaly izy ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao an-dovia, izy no hamadika ahy. 24 Ny Zanak'olona dia mandeha araka ny nanoratana azy; kanefa loza ho an'izay olona hamadika ny Zanak'olona! tsara ho azy ny tsy teraka. 25 Dia mba niteny Jodasy ilay namadika azy nanao hoe: Raby, moa izaho va izany? ka novaliany hoe: Voalazanao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3697