Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Toko faha-26
20
Nony hariva ny andro, dia nipetraka hihinana izy mbamin'ny mpianany roa ambin'ny folo lahy.
21
Teo am-pihinanana dia hoy izy: Lazaiko marina aminareo fa ny anankiray aminareo hamadika ahy.
22
Nalahelo mafy izy ireo ka samy nanontany hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?
23
Dia namaly izy ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao an-dovia, izy no hamadika ahy.
24
Ny Zanak'olona dia mandeha araka ny nanoratana azy; kanefa loza ho an'izay olona hamadika ny Zanak'olona! tsara ho azy ny tsy teraka.
25
Dia mba niteny Jodasy ilay namadika azy nanao hoe: Raby, moa izaho va izany? ka novaliany hoe: Voalazanao.
©
Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 -
2025 - page load 0.0545